Vehivavy iray no hita faty teny Antarandolo, fiantsonana fiara mpitatitra iray ao Fianarantsoa, afak'omaly.
Tonga nizaha ny zavamisy teny antoerana ny BMH sy ny mpitandro ny filaminana, ary taorian'ny fizahana dia nomena ny fiakaviana ny razana, raha ny fampitam-baovao. Vehivavy 43 taona izy io ary mpatory eo isaky ny alina, raha ny nambaran’ny nanatri-maso. Tokony ho tamin'ny 9 ora tany ho any, no nisy nampandre ny fokontany ao an-toerana. Talohan'izay dia mbola tazan'ny olona niaraka tamin'ny namany teo izy. Rehefa nitranga ny fahafatesana ka tonga ny mpitandro ny filaminana dia lasa avokoa ireo namany, raha ny fitantarana hatrany. Voalazan'ny zanany izay tonga naka ny razana fa efa 2 volana izay no nandehan'ny reniny ary mpatory an-dalana, raha eny Ambalatsimanirirano no misy azy ireo, ary efa fanaony ny mandeha dia miverina, hoy hatrany ny zanany. Vehivavy manana fianakaviana sy tanindrazana. Nanana aretina teo amin'ny tongony ratompokovavy. Tsy fantatra anefa na izay no niteraka ny fahafatesany, na aretina hafa. Araka ny fitantaran’ny nanatri-maso hatrany dia nifanesy tato ho ato ny fahitana fatin'olona tao Fianarantsoa. Vao haingana koa no nahitana izany teny amin'ny fiantsonana teo akaikin'ny Magro ka mpibata entana no hita faty, hoy hatrany ity fampitam-baovao ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.