Sosialy

Vehivavin’ Ambohidratrimo Nizara sakafo ho an’ireo zokiolona sy namboly hazo


  • Talata 12 Martsa 2019

Nizara sakafo ho an’ireo zokiolona vehivavy teny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo vehivavy manerana ireo kaominina 24 eny an-toerana ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 Niarahany tamin’ Atoa Ratsimbazafy Luc,  solombavambahoaka teo aloha sy ny vadiny izany.  Kana-kazo 1.000 fototra no novolen’izy ireo tamin’izany. Vehivavy zokiolona miisa 400  ihany koa no nomena sakafo maimaim-poana no sady notolorana solombodiakoho niampy bodofotsy mafana sy fotsim-bary. Tsy diso anjara tamin’izany ireo vehivavy tao Imerimandroso Ivato izay  nozahana fahasalamana maimaim-poana,  fahafahana  izay tsy hananan’ny ankamaroan’ny olona intsony ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana. Nambaran’ireo vehivavy mpikarakara tamin’izany  fa izao hetsika izao no tanteraka dia noho ny fanohanan'ny AFF na ny Andry sy Fototra ho an'ny Fampandrosoana  tarihin’ny filohany  Haingo  Ravatomanga.  Sambany moa no nisy hetsika fijerena ny zokiolona vehivavy tahaka izao tao amin’ity distrika iray ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT