Sosialy

Vatsy zaraina eny amin’ny fokontany Avela ho faty noana izany izay tsy nahaloa adidy ?


  • Talata 07 Aprily 2020

Misedra fahasahirana goavana indrindra noho izay niainany rehetra hatramin’izay ankehitriny ny vahoaka malagasy.

 

 

 Na dia miantso firaisankina sy fifanomezan-tanana isan-kariva aza ny filoham-pirenena sy ny ankamaroan’ireo mpitondra ary tomponandraikitra samihafa dia hita ho zary kolontsaina raiki-tapisaka anatin’ireo malagasy mahazo fahefana hatreny ifotony ity resaka fanaparam-pahefana sy ny manodidina izay ity. Tsy vitsy ireo fokontany ahitana izany ankehitriny, raha tsy hiresaka afa-tsy ny eto an-drenivohitra. Isan’ny mitaraina manoloana izany, ohatra, ireo mpivaro-kena sasany etsy Besarety, izay milaza fa amin’ny 11 ora maraina dia efa mihadihaody ireo tomponandraikitra eny amin’ny fokontany mandrisika azy ireo hanidy tsena. Miafara amin’ny fikasihan-tanana mihitsy aza izany, raha ny fitarainan’izy ireo hatrany. Any amin’ny fokontany sasany moa, toa izay hita teny Amboditsiry, dia feran’ny tomponandraikitry ny fokontany ho ireo nahavita adidy tamin’ny taon-dasa ihany no hampisitrahana ny fanampiana tokony ho azony ao anatin’ny fiatrehana izao Covid 19 izao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT