Sosialy

Vatsy Tsinjo Tsy mahavita herinandro ho an'ireo maro anaka


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Fanampiana tsy natao haharitra ny Vatsy Tsinjo, izay zaraina isam-pokontany tanterahin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny vokatry ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus.

 

 

 

 

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray niteraka telo mantsy dia tsy maharitra herinandro akory ilay vary 21 kapoaka izany hoe 6 kg eo ho eo dia lany. Raha mandrotsaka vary 5 kapoaka isan’andro mantsy izy ireo dia ny efatra andro ihany no tena vitan’ilay vary ary iray kapoaka no mba ambiny, Mba maharitra iray volana kosa ilay menaka iray litatra raha elaela ihany koa ilay tsiasisa 6 kapoaka eo ho eo miaraka amin’ny savony….Hetahetan’ny mponina araka izany ny tokony hiodinan’ny fanampiana any amin’ny Fokontany tsirairay avy isan-kerinandro raha mety, indrindra raha mbola mitohy ny fihibohana. Efa tena sahirana avokoa mantsy ny rehetra, indrindra amin’izao roa volana latsaka tsy nahafahana nitady vola ara-dalana teto amintsika izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT