Sosialy

Vatsy tsinjo sy tosika fameno 7,80% n’ny Malagasy no nahazo fanampiana


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Miisa 421 415 tokantrano no nizarana an’ireny tosika fameno sy vatsy tsinjo ireny tamin’ny faritra izay tena voa mafy tamin’ny valanaretina: Analamanga, Alaotra, Analajnjirofo, Diana, Amoron’i Mania,…

 hoy ny Filoha Rajoelina omaly. Tsy ny faritra angamba fa distrika sasantsasany tamina faritra satria raha eto Analamanga, ohatra, dia misy distrika maro tsy nisitraka. Raha kotiana ho misy olona 5 isaky ny tokantrano, dia 2 107 075 izany ny Malagasy nisitraka izany manerana ny Nosy. Raha heverina ho 27 tapitrisa ny Malagasy amin’izao dia 7,80% tamin’ny Malagasy izany no nisitraka izany nanerana ny Nosy, ary 26% eo kosa no nisotro ny CVO, raha mitombina tokoa ilay hoe 7 tapitrisa mahery nizarana azy. Mbola baraingo mandrak’androany ny fatra sy ny isa tamin’ny novokarina tamin’io tambavy io. Ny nozaraina izany no fantatra raha tena marina? Fa firy marina no novokarina? Firy no nalefa tany ivelany? Firy no lafo? Ny hita aloha, dia nahena 1000 Ar ny vidiny teny amin’ny Grande Surface, nahena ho 300Ar indray avy eo. Tsy naharisika ny olona ve na nanaka-danitra aza ny doka matoa nahena? Nilaza ny Filoha omaly fa niova ny fijerin’izao tontolo izao an’I Madagasikara hoe: mamonjy namana, ary firenena maro no tonga naka ny CVO+. Amidy sa zaraina? Ohatrinona marina ny vola natontona tamin’io? Iza no mampiasa vola ao? Maro ny zavatra tsy mazava.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT