Ny 12 aogositra lasa teo, nanambara ny filoha Rajoelina fa faritra maro eto Madagasikara no hisitraka fanampiana ara-tsosialy toy ny Vatsy Tsinjo. Anisan` ireo misitraka izany i Mahajanga.
Avy hatrany dia niroso tamin` ny fanaovana fanadihadiana an`ireo tokantrano ireo tomponandraikitra samihafa ka fokontany 26 no nanaovana izany. Araka ny fandaminana nataon` ny prefektioran` Mahajanga sy ireo sampandraharaha teknika any amin`ny faritra (Services techniques déconcentrés) dia tokantrano sahirana 81 000 no tokony nisitraka izany ny volana aogositra lasa teo ary ao amin`ny kianjan` Rabemananjara no hanaovana ny fizarana. Tsy nazava ho an`ny vahoaka moa ny dingana arahina amin`ny tokony hisitrahana izany fanampiana izzany. Ny 04 septambra dia nisy fihaonana teo amin` ny Programme d‘Aide Alimentaire (PAM) sy ny governoram-paritra Mokhtar Andriatomanga. Nambarany tamin`izany fa tokantrano 23 000 ao amin`ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga no hisitraka izany tosika ara-tsosialy izany. Nisy indray fanadihadiana nataon`ireo mpianatra, hoy hatrany ny governora. Ny antontan-isa nataon`ny STD ho an`ny Vatsy Tsinjo, araka izany, no niaingana tamin` izany. Saingy tsy nisy hatrany ny Vatsy Tsinjo avy amin`ny Fanjakana kanefa dia nanambara izany ampahibemaso ny governora ny 04 septambra teo. Nandeha ny andro sy ny volana dia mbola tsy tonga any amin` ny vahoaka any Mahajanga ihany ny Vatsy Tsinjo hatramin` izao. Ny tapakin` ny volana oktobra dia nisy andian-olona nangalana sary mba hilazana fa misy fizarana Vatsy Tsinjo any Mahajanga. Tsy nisy kosa anefa izany raha ny nambaran` ny mponina any an-toerana. Raha tsiahivina dia nikorontana tanteraka ny fizarana Vatsy Tsinjo tamina faritra teto Madagasikara. Nisy hatramin` ny fidinana an-dalambe nitaky ny anjarany ho azy ireo toy ny teny amin’ny By-pass kaominin’Ambohijanaka sy kaominina eny Atsimondrano, ny 07 septambra teo noho ny fahitan-dry zareo fa misy fiangarana ny fizarana ny vatsy tsinjo sy tosika fameno. Torak`izany koa teny Isotry Andranomanalina. Fanaovana ankilabao faritra hafa ve no anton` izao sa kosa lasa any amin`ny zavatra hafa ny fanampiana noho ny goragora amin`ny fitantanana ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.