Sosialy

Vatsy tsinjo - Boriborintany faharoa Nidina nanara-maso minisitry ny filaminam-bahoaka


  • Talata 25 Aogositra 2020

Ny Polisim-pirenena no niandraikitra ny fanisana ireo olom-pirenena eny amin'ny boriborintany faharoa mahaksika ny fanomezana sosialim-bahoaka ho an'ny mponina eny an-toerana.

 

Nanomboka omaly alatsinainy 24 Aogositra ny fizarana ny fanampiana ara-tsakafo tetsy amin'ny EPP Mandroseza ka tokantrano miisa 1200 no nisitraka izany.Nidina ifotony nanara-maso ny izany mihitsy ny Minisitry ny filaminam-bahoaka CGP Fanomezantsoa Randrianarison nijery ny fomba fizarana ilay sosialim-bahoaka mba ho tonga any amin'ny tokantranon'ny malagasy tokony hisitraka izany ny fanampiana nomen'ny Fanjakana. Isan'ny hita teny an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Ati-tany Atoa Tianarivelo Razafimahefa sy ny Depioten’ ny boriborintany faharoa. Tao anatin'ny filaminana tanteraka moa no nanatanterahana izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT