Sosialy

Vatsin`ankohonana - Fiavota “Famonjena ireo fianakaviana tena sahirana”


  • Zoma 09 Oktobra 2020

71,50%n` ny Malagasy dia voasokajy ho tena sahirana ka mandray 1 dolara isan-andro.

 

Mba hanohana ireo fianakaviana tena sahirana dia mampihatra ny drafitra natao hiarovana sy hampandrosoana ny mahaolona i Madagasikara. Ny FID (Fonds d`intervention pour le Développement) dia anisan` ireo mpisehatra voalohany amin` ny fampiharana ny politikan` ny fiahiana ara-tsosialin` ny governemanta, izay iarahana amin` ny minisiteran` ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Amin` ny alalan` ireo tetikasa fiahiana mpiarabelona, dia tokatrano manodidina ny 142 700 amina faritra miisa sivy no iantefahan` ny asan` ny FID. Tafiditra ao anatin` ity tetikasa ity ny Vatsin`akohonana izay natao ho an`ireo fianakaviana maman-janaka 0 hatramin`ny 14 taona. Fianakaviana 44 300 amina disitrika valo no misitraka izany. Nitombo, araka izany, ny tahan` ny fandefasana ankizy tany am-pianarana satria ankizy 51 000 no nahazo tombony, hoy Achille Razakatoanina, talen` ny Transfert Monétaire pour le Développement eo anivon` ny FID. Ho an`ny faritra Atsimo manokana kosa dia misy ny tetikasa Fiavota ka fianakaviana 70 000 no misitraka izany. Ankoatra amin`ny maha vatsy an` ireto programa ireto dia afaka manatsara ny fianaran` ny zanany, manatsara ny fanjariana ny sakafo ao an tokatranony ary ahafahany mampitombo ny tahiry ao amin`ny sehatra asa ataony ireo fianakaviana misitraka izany, hoy hatrany ny fanazavana. Hisy kosa ny tetibola 6 miliara ariary hamatsiana fianakaviana sahirana miisa 25 000 amin` ity volana oktobra ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT