Sosialy

Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana Misitraka asa tanamaro ny mponina


  • Zoma 18 Mey 2018

Mitombo sy nahazo vahana tao anatin’ny 3 taona tamin’ny lafivalon’ny nosy ny fanomezan’asa sy fitsinjovana ny fianakaviana marefo amin’ny alalan’ny tetikasa « Asa tanamaro », izay tafiditra ao anatin’ny politika nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny PNPS tafapetraka ny taona 2015, ka ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy na ny MPPSPF.

 

Niantefan’ny tetikasa bebe kokoa ireo faritra nolalovan’ny rivodoza Ava sy Eliakim farany teo, ka manohana izany ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny Sakafo na ny PAM. Asa fampandrosoana sandaina vola izy io, ka vondron’olona miisa 40 000 tamina toerana miisa telo no nisitraka izany tany amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny tetikasa tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany nisian’ny fanajariana toerana miisa telo.  Manodidina ny 280 920 ny olona netsehina tao anatin’ny roa volana. Nanomboka omaly 17 mey 2018 kosa ho an’ny any amin’ny distrikan’i Manakara, dia olona 6570 no hisitraka ny fanajariana ny toerana mitoka-monina, ny lakan-drano, ireo havoana azo hanaovana fambolena any amin’ny kaominina Marovano, ka olona 52 560 no hohetsehina mandritra ny 40 andro. Nihaona mivantana tamin’ny mponina tany an-toerana ny solontenan’ny Minisitra Onitiana Realy, nandritra fanombohana ofisialy ny asa tany Manakara omaly, ary mbola ho any Nosy Varika ny 22 mey, ary Mananjary kosa ny 25 mey, ary tsy ho ela ny any Farafangana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT