Sosialy

Vatomamy sy bisikoitra lany daty Mbola miparitaka eran’ny tanàna ihany nefa tena poizina


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Tsy amin’ny fotoanan’ny fety ihany fa na dia amin’ny andavanandro aza dia miparitaka be eto an-drenivohitra ireo vatomamy sy bisikoitra lany daty.

Toerana maro no ahitana izany toy ny eny amin’ny Petite Vitesse izay efa miaraka amin’ny dibera sy ny fromazy mihitsy ny sasany, ny etsy amin’ny boriborintany fahefatra izay ahitana ny sardine ihany koa… Raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray dia efa manana mpamatsy mihitsy izy ireo  izay  mivarotra ny entana mora aminy, antony mahatonga azy ireo hivaro-mora koa. 500 Ar monja ohatra dia efa mahazo sôkôla iray fonosana raha toraka izany koa ny bisikoitra. Ho an’ny fromazy indray dia 2.000 Ar latsaka dia efa mahazo iray boaty feno raha 1.200 Ar ny  iray boaty amin’ny sardine. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera iray anefa dia tena poizina be ho an’ny fahasalaman’ny olombelona ny fihinanana sakafo efa lany daty, antony miteraka ireo karazan’aretin-kibo maro isan-karazany. Ankoatra izay dia tena loza ho an’ny fahasalamana ihany koa ny fihinanana ireo karazana dibera sy fromazy danin’ny andro elabe eo am-pivarotana azy satria toerana mangatsiatsiaka sy ara-pahasalamana no tokony hametrahana azy ireny. Tsy tokony ho matimatin’ny sakafo mora hita eny an-dalana araka izany isika fa aleo mividy sakafo lafo nefa ara-pahasalamana sy azo antoka.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT