Sosialy

Vato nogiazana eny Ampandrianomby Miala bala ny minisitry ny harena ankibon’ny tany


  • Zoma 10 Janoary 2020

Mijaly ny ankamaroan’ireo mpandraharaha Malagasy. Fantatra mantsy izao fa misy teratany vahiny mikasa hividy ilay kariera ao

 

amin’ ny distrikan’Ikalamavony, Kaominina Tanamarina Bekisopa ao amin’ny fokontany Soatanimbary taorian’ny nakan’ny minisitera ireo vato voatrandraka tao. Efa nandoa vola tamin-dry Penitaka, Rivobe, Sambo io vahiny io ka  ireto farany indray nifampiraharaha tamin’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany tamin’ny alalan’ny fanelanelanana nataon’ny protocole. raha ny fantatra. Nezahina tamin’ny fomba rehetra mihitsy vokatr’izany izay  hanalana ity mpandraharaha Malagasy ity amin’ny toerany izay  manana taratasy ara-dalàna. Tsiahivina moa fa efa nitondra fanazavana mahakasika ireo vato nogiazana ireo ny minisitra saingy fanazavana diso ihany koa. Nilaza izy  fa “ vato tourmaline milanja 1, 65 taonina tsy ara-dalàna no nogiazana nefa  800 kg monja ny fitambaran’ny vato rehetra nogiazana ary tsy nisy afa-tsy 548, 9 kg ny tourmaline ao anatiny. Vokatry ny fanagiazana tsy ara-dalàna ireo vato milanja 800 kg moa, rehefa nitory teny amin’ny  fitsarana  ny lasibatra dia olona efatra tamin’ireo nirahin’ny minisitra no nidoboka am-ponja. Ny roa kosa miseho ho tsy maty manota ka na nitovy izao aza ny zavatra nataon’izy ireo dia napetraka fotsiny hoe : «  harahin’ny Fitsarana maso akaiky ”. Tanjona amin’izao famotehana ny mpandraharaha malagasy izao moa ny hahafahana mametraka ireo Sinoa mpitrandraka ao Mananjary izay nambaran’ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana Atoa Haja fa tsy ara-dalàna saingy minia manampin-tsofina hatrany ny minisitra tompon’andraikitra  tsy mandray ny andraikiny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT