Sosialy

Vato namono olona teny Ampamarinana Ny doboka tafondro tanaty rotsak’orana no antony ?


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Tsy manapoaka zavatra na vato fahavaratra ny Ntaolo. Efatra ny maty, 11 no naratra mafy nihotsahan’ny bolongam-bato izay nizara dimy ka nandravarava tokantrano 5,

 

 

 

 omaly alahady atoandro sahabo tamin’ny 10 ora sy 20 mn, teo amin’ny fokontany Ambanin’Ampamarinana, Mahamasina; araka ny fampitam-baovaon’ny Lieutenant Colonel Francky Ramanoara, lehiben’ny sampana mpamonjy voina Antananarivo Renivohitra, omaly tolakandro.

Fijoroana vavolombelona

Tsy nihambahamba kosa ireo niharam-boina sy ireo mpiara-monina amin’izy ireo nihevitra fa anisan’ny nahatonga ny fihotsahan’ny vato nanao sesilany namoa-doza ny fidoboky ny tafondro. “Ny harivan’ny doboka tafondro farany teo no nianjera ny  vato teo Tsimialonjafy, tapa-bolana aty aoriana indray ny teo aminay fokontany Ambanin’Ampamarinana. Nihozongozona avokoa iny Faritra avo rehetra iny, tamin’ny tafondro nipoaka. Mety misy harambato na fandrin-tany fontotra ifandraisany amin’Andrefan’Ambohijanahary ny Faritra avo. Tamin’ity fanapoahana tafondro farany ity dia tsy nampihomanina izahay fa isaky ny 26 jona fetim-pirenena dia asaina mamoa trano daholo izahay ary heverina fa misy akony amin’ny trano sy ny tany ary ny zavatra rehetra eny ambony eny izany amin’ny lafiny fizika sy siantifika. Sady ny fetim-pirenena rahateo amin’ny main-tany. Nefa amin’ny maha Malagasy, tsy hita hovisavisaina izany rehetra izany fa efa izao no anjara sy lahatra dia zakaina.” Hoy Fanja sy Saholy ary ny fianakavian’ireo niharam-boina, nanana ny maty sy naratra raha nifandrombaka nitantara tamin’ny mpanao gazetinay, omaly tolakandro teo ampitan’ny HJRA.

 

Tarazon’ny an-jato taona

Etsy an-daniny anefa, efa an-jatony taona no nisy fanorenam-ponenana tamin’ny faritra avo eto an-drenivohitra ka azo lazaina fa efa antitra ny toerana ary nokaohan’ny riaka koa ny ranontany. Mety ho fifandrifian-javatra ihany koa, nisy fotoana tsy nisy tafondro nirefotra nefa nisy vato sy tany nihotsaka tamin’ny toeran-kafa. Efa hatramin’ny Fanjanahantany ihany koa no naharenesana tafondro fa tsy nisy loza toy izao. Nihevitra ireo nianjeran’ny vato fa miray hina tanteraka tamin’ny namany iny vatobe iny, nilaza mantsy izy ireo fa efa hatramin’ny dadabeny no teo ary tsy nisy ahiahy. Araka ny fahitan’ireo mpiara-mipetraka avy aty ambony somary mitazana misopirana eny Ambanin’Ampamarinana kosa anefa dia tsikaritr’izy ireo fa misy rano mitsika hatrany avy any ambanin’ilay vato. Hitan’izy ireo ny tsy firaiketan’ilay vato nandondona tamin’ny namany noho ny fahatazanany tany manelanelana azy ireo. Marihina fa horaisin’ny fitondram-panjakana an-tanana avokoa na ny fandevenana ny maty na fitsaboana ireo maratra, araka ny fanambaran’ireo solontenan’ny fitondrana tonga nitsapa alahelo sy nitsidika ireo marary teny amin’ny HJRA Ampefiloha, omaly. Araka ny filazan’ny havan’ny maty dia mpianakavy avokoa ireo tra-doza, mifankafantatra, tsy nisy tavela tototry ny tany izy ireo. Efa nampilaza vaovao ny BNGRC tamin’ny herinandro lasa fa misy vato ahiana eo Manjakamiadana.

 

 

Tapaky ny filan-kevitry ny minisitra manokana natao omaly alahady fa afindra monina vonjimaika eny amin’ny Village Voara (route digue) sy Iharinarivo (Ambohidratrimo) ireo traboina tena sahirana noho ny loza nitranga ny 19 janoary sy omaly 3 febroary.Voalaza ihany koa fa omen’ny fanjakana tany hanorenana trano izy ireo fa hisy kosa anefa ny sivana amin’izany ary tsy maintsy miala eny avokoa ireo mponina rehetra manenitra an’Ampamarinana.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT