Sosialy

Vato be efa tsy azo antoka intsony Atahorana ny ankamaroan’ireo faritra avo


  • Zoma 06 Septambra 2019

Atahorana avokoa ny ankamaroan’ireo faritra avo eto an-drenivohitra ahitana vatobe raha ny fantatra.

 

 

 Raha araka ny fanazavan’ny kolonely Elack Olivier, sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary dia efa saika miharatsy avokoa ireny vatobe mipetraka eny ambony ireny. Mikasika ilay famakiam-bato notanterahin’izy ireo teny Tsarafaritra Tsimbazaza, ohatra, dia nohazavainy  fa vola be no lanin’ny fitondram-panjakana tamin’ny famakiana izany hiarovana ny ain’ny mponina. Mbola hoentin’izy ireo eo anivon’ny filankevitry ny minisitra moa  ny mikasika ireny vatobe mbola atahorana ireny, tafiditra ao anatin’ny fiomanan’izy ireo amin’ny fiatrehana ny loza. Faritra valo no fantatra fa voakasik’izany. Tsiahivina fa tsy fa ankoatra ny rivodoza dia tafiditra ao anatin’ny asan’ny BNGRC ihany koa ny  ady amin’ireo karazana loza maro samihafa mety hitranga.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT