Sosialy

Vary tsinjon’ny Fanjakana Hoferana ny fatra azo vidiana


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Tonga teto Antananarivo omaly ny “vary tsinjo” avy amin’ny Fanjakana, hamidy amin’ny vidiny 500Ar isaky ny kapoaka,

 

 

 

araka ny tenin’ny Filoham-pirenena. Haparitaka eny amin’ny tsena mahazatra (Epicerie) eto Antananarivo, ka ho ferana ny fatran’ny vary azon’ny mpifidy jifaina, raha ny re omaly. Mbola tsy fantatra mazava kosa na firy kapoaka na firy kilao isaky ny olona no azo jifaina. 7000 taonina no nafaran’ny Fanjakana voalohany, ary afaka roapolo andro dia ho tonga ny sambo faharoa hitondra 8500 taonina, ary hitohy hatrany isam-bolana ny fanafarana mandra-pahamarin-toeran'ny vidim-bary, hoy ny Fanjakana. Raha kajiana amin’io 7000 taonina na 7 000 000 kg, manome 24 500 000 kapoaka io, dia mety ao anatin’ny roa andro izany io dia lany raha kajiana ambany ho 24,5 tapitrisa ny Malagasy ka mihinana tapa-kapoaka isan’andro avy. Tsy hahasehaka ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy io, ary tsy sanatria finiavana hanakiana fa tsy mahavaha olana ny fanafarana na mety mahavita izay ho vitany tokoa aza. Tsy mahasahana ny filan’ny rehetra ny nafarana, fa any anatin’ny serasera no atao metimety. Tao anatin’ny roa volana izay no niresahana ity vary ity, saingy hatreto mbola tsy tena mivaha ny olana. Mila manova paikady, ary any amin’ny fampitomboana ny famokarana ihany no vahaolana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT