Sosialy

Vary tsinjo 1500 Ar ny kilao, Tsenakely 984 no hivarotra azy


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

1500Ar ny kilaon’ny Vary Tsinjo nafaran’ny orinasam-panjakana SPM (State Procurement of Madagascar),

 

 

 

hamidy eny amin’ireo tsenakely sy ny tsena mora manerana ny Nosy, araka ny fampahafantarina tao anatin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly 27 janoary. Vary izay nambara, fa ara-pahasalamana ary nahazo “certificate de consommabilité” ho an’ny olombelona avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, ary nahazo fahazoan-dàlana hamidy avy amin’ny Minisiteran’ny varotra. Hanomboka rahampitso zoma ny fitsinjarana sy ny famarotana, izay nambara fa hitsinjovana ny isan-tokantrano. 05 kilao isan-kerinandro no azon’ny isam-pianakaviana vidiana, ary mila mitondra karinem-pokontany. Ho an’Antananarivo Renivohitra, dia hotsinjaraina eny amin’ireo tsenakely miisa 984 izany, ary efa voafantina ireo mpamongady sy mpaninjara ny vary mba hialana amin’ny fanararaotana sy fanodinkodinana, hoy ny fanazavana. Isan’ny hivarotra azy ny tsena mora manerana ny Nosy ho an’ny alatsinainy, alarobia zoma. Raha kajiana dia sahaza ho an’ny tokantrano 1 400 000 ny 7000 taonina ( 7 000 000kg), raha mividy io 5kg io avy. Raha tombanana ho 27 000 000 ny vahoaka Malagasy, ary vinavinaina ho 5 isaky ny fianankaviana iray dia 5 400 000 izany ny tokantrano eto, izany tsy hahasahana an’i Madagasikara manontolo aloha io hatreto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT