VARY TONGA TAO ANTSIRANANA

50 taonina tamin’ireo 1.060 simba avokoa


  • Zoma 26 Aprily 2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Nahatratra 50, 6 taonina tamin’ireo vary milanja 1.060 taonina tonga tao Ramena Antsiranana ny 25 Aprily teo mantsy no fantatra fa simba. Taorian’ny analizy natao teo anivon’ny laboratoara any an-toerana no nahafantarana izany ka nanosika ny talem-paritra ny varotra sy ny fanjifana ao amin'ny faritra DIANA, Atoa Tanigna Romuald Florentin sy ny mpitandro ny filaminana rehetra ary ny avy eo anivon'ny fadin-tseranana any an-toerana nandray ny andraikiny. Nodorana avy hatrany ireo vary simba ireo, hetsika natao tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ramena distrikan’ Antsiranana ihany. Ny mba hahafahana miaro ny ain’ny mponina no tanjona. Raha hariana amina toerana iray fotsiny tokoa mantsy na alevina ireo vary simba ireo dia tsy maintsy mbola hisy haka ihany noho ny fahasahiranan’ny olona ateraky ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny indrindra fa ny vary.
Pati
Legende : Nidedadeda tahaka izao ny fandorana ireo vary simba !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT