Sosialy

Vary safiotra Mahatratra 12 taonina isaky ny hektara ny vokatra


  • Zoma 17 Septambra 2021

Araka ny fanazavan’ny vondron’orinasa mpisehatra eo amin’ny vary safiotra na “hybride”, STOI, tetsy amin’ny foara iraisampirenena Malagasy na FIM tetsy Tanjombato omaly,

 dia miditra amin’ny taona fahadimy eo amin’ny fampiroboroboana ity fomba famokaram-bary ity izy ireo ankehitriny. Tanjona, hoy ny tomponandraikitra, Tahiana Razanamahefa, ny hambolena ity karazam-bary ity manerana an’I Madagasikara. Raha faritra miisa 3 no nanombohana azy tamin’ny 3 taona lasa dia efa hisehatra manerana ny faritra 23 ankehitriny, hoy izy. Iaraha-miasa ny minisiteran’ny fambolena sy ireo governoram-paritra ao anatin’izany. Velaran-tany 30.000ha no enjehana hamokarana azy ity. Mitombo be tsy toy ireo vary mahazatra antsika ny vokatra vary safiotra. Raha 3,5 taonina isaky ny hektara eo ny vary mahazatra dia ity kosa mahatratra 8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hektara. Mampiakatra ny vola miditra ho an’ny tantsaha izy, noho izany. Raha ny vary mahazatra dia eo amin’ny 700.000 ariary eo ny tombony tsy voaodina na “marge brute” azon’ny tantsaha isaky ny hektara. 4.000.000 hatramin’ny 5.000.000 ariary isaky ny hektara kosa ny vola miditra amin’ny tantsaha mamokatra vary safiotra. Ny taona 2019-2020 dia nozarain’ny fanjakana masombolina vary safiotra ny tantsaha tao anatin’ny sehatry ny fanentanana momba izany. Izay no nahitana ilay vokatra voalaza teo. Tanjona ny fampandrosoana ifotony mba hahavitantsika tena ara-tsakafo amin’ny alalan’izy io. Eo koa ny fampiakarana ny vola miditra ho an’ny tantsaha mpamboly izay 90%n’ny Malagasy. Faniriana sy fanamby hapetraka ny hahatonga an’I Madagasikara ho mpanondrana vary. Misy tekinika ampiarahana amin’izany fomba famokarana izany. Izany hoe ny aty amin’ny sehatra tsy miankina no manome ny tantsaha ny ilaina rehetra toy ny masomboly sy zezika izay vokarinay ihany. Tamberiny avy amin’ny tantsaha kosa ny fanomezany anay varim-bazaha. Efa mividy ny vokatra ho an’ny tantsaha koa izahay. Misy koa, mazava ho azy, ny tantsoroka tekinika atao amin’ireo tantsaha. Iny Atsimo andrefana, Ihorombe, Ambahikily iny dia mahavita 3 taona isan-taona ny vokatra vary safiotra satria mety tsara ny rano sy toetr’andro amin’ilay tanimbary. Tombanana ho tratra ao anaty 2 taona ilay fahavitana ara-tsakafo amin’io raha tsy misy ny sampona, hoy hatrany ny fanazavana, satria dia avo 3 heny fara-fahakeliny amin’ny vary mahazatra no vokatra azo aminy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT