Sosialy

VARY NAFARANA Miakatra be ny vidiny eny an-tsena


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Raha mba nantenaina hanamaivana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano ny fanafaran’ny Fitondram-panjakana ireo

vary avy any ivelany toy ny stock sy ny riz de luxe dia vao mampiteny ny moana ny vidin’izy ireny eny an-tsena. Raha 2500 Ar mantsy no niaingan’ny vidin’ny vary 1 kg riz de luxe eny an-tsena telo volana lasa izay dia efa tafakatra 3200 Ar amin’izao. Mitovy amin’izany avokoa ny eny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny izay ambaran’ireo mpivarotra fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra azy. Lafo noho ny vary vokatra eto an-toerana izy ireny noho izany. Mbola 2 .700 Ar mantsy ny iray kilao amin’ny vary tsipala amin’izao. 2 600 Ar ny iray kilao amin’ny vary fotsy….. Araka ny antontan’isa navoakan’ny masoivoho mpanara-maso ny vary (ODR), ny volana mey 2023 teo anefa dia nanodidina ny 2. 400 Ar no tokony ho vidin’izy ireny eny an-tsena eny. Ahiana tsy ho voafehy intsony ny vidim-bary eto amintsika vokatr’izany. Tombanana hihoatra ny 4000 Ar mihitsy ny iray kilao mandritra ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra izay hanomboka amin’ny volana Novambra ho avy io raha vantany vao milatsaka ny orana.
Pati
Legende : Midangana mihitsy ny vidin’ny vary riz de luxe eny an-tsena eny amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT