Sosialy

Vary nafarana avy any ivelany Ovaina ho gony Malagasy rehefa tonga eto


  • Talata 15 Desambra 2020

Henjana ity Fitondrana iray ity raha resaka fonon-javatra, etikety, banderole,…

 

 

 

Tonga eto Madagasikara ny vary nafarana avy any ivelany tamin’ny alalan’ny SPM State Procurement of Madagascar “25% de brisure”, dia tsy maintsy hovaina gony vaovao misy soratra “Vary Tsinjo” sy “vary tsara mitondra fahasalamana” fa tsy hoe vary novidiana tamin’ny tantsaha teto Madagasikara. Mazava ho azy, fa mitombo ny mason-karena satria ny gony iray 500 Ar eo ny vidiny raha mora indrindra, miampy ny manao ny “sérigraphie” aminy. Sa kosa zavatra hafa no nisy ireo vary avy any amin’ny nanafarana azy ka aty vao ampidirina anaty gony? Mila mamoaka sary ahitana taratra ny fanjakana hatrany mba hahazoana doka politika. Toa zary lasa mampanaotao foana ity resaka finiavana hametraka tandindona politika amin’ny zavatra rehetra atao ity. Hatrany amin’ny resaka fampianarana izay tokony ho tsy miandany no lasa loko volomboasary, biraon’ny Bianco tafiditry ny loko volomboasary,… Tsy finiavana hanakiana fa toa tafahoatra ilay izy indraindray, saingy eto moa efa tsy misy fihainoana ny hafa izany intsony, ary tsy hanaiky diso izany velively. Izay miteny ny tsy mety na mety ho finiavana hanitsy aza dia tratry ny hoe: “mpanakorontana”, na koa hoe: “mpanenjika tozoro afara” !

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT