Noho ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena dia lasa manenjika ireo vary mora tonga eny amin’ny Fokontany avokoa ny ankamaroan’ny olona.
Misy amin’izy ireny no amin’ny 04 ora maraina dia efa miandry laharana noho ny fanenjehana ilay amin’ny 12 ora atoandro fotoana tsy hahafahana mivarotra sy mivoaka ny trano intsony ka mety tsy hahazoana ireo voalaza fa entana mora. Fokontany maromaro ao anatin’iny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny no miaina izany, hany ka tsy voahaja intsony ilay elanelana 1 metatra hahafahana miaro amin’ny fiparitahan’ny coronavirus. Eo an-danin’izay mbola hialohavan’ny fitsapana hafanana izany ankoatra ny fahataran’ny fotoana hanombohan’ireo tompon’andraikitra ny asany ka mampitaraina ny rehetra. Misy amin’izy ireny mantsy no efa mahatratra amin’ny 10 ora atoandro mbola tsy mandray olona ihany. Tsy teny atsimondrano irery fa efa ny ankamaroan’ny fokontany nisy vary mora dia feno olona mitangorona sy mivangongo avokoa.Ny alatsinainy lasa teo no efa hoe alamina ilay izy, saingy raha ny hita hatry ny omaly zoma aloha dia tsy nisy nilamina sy nanaja ny elanelana 1 metatra izany fa tena nivadika ho tsena be ny vary mora.Niaiky omaly ireo tompon’andraikitra fa misy tokoa ny zavatra mila amboarina.Mifarana amin’ity an’io ity moa ny fepetra momba ny hamehana ara-pahasalamana, miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana ny mety ho tohiny indray manomboka rahampitso.Efa mifanontany koa ny rehetra hoe : moa ve mbola hitohy ny hetsika na ahoana na ahoana tohin’ny resaka eo sa raha tsy mitohy intsony ny fepetra fihibohana dia tapitra hatreto indray aloha ny vary mora.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.