Vary mety amin'ny tany manta

Natolotra ofisialy omaly ny "mavitrika"


  • Alatsinainy 25 Martsa 2024

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy omaly alakamisy 21 marsa 2024 tetsy Nanisana

ny karazam-bary vaovao antsoina hoe " Mavitrika", voka-pikarohan'ny FOFIFA avy ao amin'ny JIRCAS ( Japanese International Research Center for Agricultural Science) sy avy ao amin'ny Oniversiten' i Bonn. Niara-niasa tamin'ny tantsaha ny famoahana ny voka-pikarohana ary nohamarini'ny SOC (Service Officiel de Contrôle de semence). Raha ny fanazavana teknika, eo amin'ny 1,8 taonina/ha ny vokatra azo amin'ny "mavitrika" raha eny amin'ny tany manta, raha toa ka mahatratra 4,5 taonina/ ha raha tany misy zezika. Tombony aminy ihany koa ny fahazakany ny fiovaovan'ny toetr'andro, tsy fahampian-drano, ary mampatanjaka ny tany manta ihany koa ity karazam-bary ity. Eo amin’ny kalitao, dia feno otrik’aina natoraly toy ny zinc mitondra hery ho an’ny olombelona. Faritra roa dia i Vakinankaratra sy Boeny no efa nanaovana ny fanandramana, izay nahitam-pahombiazana, ka ezahana haparitaka any amin'ny tantsaha mpamokatra amin'ny faritra hafa hiatrehana ny taom-pambolena 2024-2025, raha ny tatitra hatrany. Fanoitra lehibe ho an'ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ny fanitarana ny velaran-tany ho volena ity voka-pikarohana ity, izay tsy mijanona amin'ny voly vary an-drano ihany », hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ka niantsoany ireo sehatra tsy miankina izay vonona hiara-hiasa amin'ny ministera ho fanatsarana ny famokarana eto Madagasikara. Anisan'ny nanome vononahitra ity fotoana ity ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian sy ny minisitra maromaro, ary ny avy amin’ny JICA na ny Ivon-toerana japoney ho an'ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT