Sosialy

Vary makalioka avy any Ambatondrazaka Herinandro sisa ny tahiry misy eny an-tsena


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Mbola tapaka tanteraka hatreto ny lalana any amin’ny lalam-pirenena faha-44 vokatry ny tondra-drano be tany an-toerana nateraky ny andro ratsy teto amintsika.

 

 

 

 

Eo Ambahiboho no faran’ny lalana raha avy aty Antananarivo ka   mandeha an-tongotra sy taxi-brousse hafa avokoa ireo mpandeha raha tena tsy maintsy hihazo ny tanànan’Ambatondrazaka. Tsy miova anefa ny saran-dalana fa 25.000 Ar hatrany miala eny Antohomadinika  misy ny tobim-piantsonan’izy ireo. Vokany,  tsy tafakatra ihany koa ireo vary avy any Ambatondrazaka tokony hamatsiana an’Antananarivo. Lohalaharana amin’ireny ny makalioka izay efa tafakatra 40 Ar isan-kilao ny vidiny ankehitriny eny an-tsena. Raha araka ny fanadihadiana natao teny amin’ny tsenan’Anosibe sy Ambodivona dia  herinandro eo ho eo sisa raha betsaka ny tahirim-bary hananan’ireo mpivarotra. Amin’ny ankapobeny anefa dia mahalahy 5 gony isan’andro izy ireo.  Mikaikaika avokoa vokatr’izany ireo mpivarotra. Tafakatra 1800 Ar moa ny iray kilao amin’ny vary makalioka ankehitriny raha 1760 Ar izany teo aloha.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT