Sosialy

Vary avy any ivelany 16 000 taonina no efa nafarana


  • Talata 02 Jona 2020

Faritra miisa 13 no mamokatra sy mamatsy ny vary eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

 

 

 

 

Tsy maharaka ny filàna izy ireo ka ilàna fandrindrana na eo amin’ny lafiny fanapariahana, na eo amin’ny lafiny ara-bidiny. Mbola maro be ny tsena iraisam-pirenena mbola mikatona nohon’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina ary tsy vitsy ireo mpahay toekarena efa mamisavisa sahady ny tsy maintsy hisian’ny krizy manerantany ho amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Raha ny eto Madagasikara dia efa manafatra vary ny fanjakana amin’izao fotoana izao ary efa maromaro ny tsenam-bary misokatra. Efa nisy mihitsy ny sambo manokana nitondra ny vary nandritra ny 3 herinandro ary hatreto dia mbola tsy atahorana mihitsy ny voka-bary sy ny avy any ivelany raha ny tatitra teo anivon’ny minisitry ny indostria, ny varotra ary ny Asa tanana. Tsiahivina fa 2 600 000 taonina no filàna ara-barin’ny Malagasy isan-taona ka ny 10% amin’izay no hafarana izay manome 260000 taonina.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT