Sosialy

Vary 106 taonina nodorana sy nalevina Nisy nangady sy nivarotra indray


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Ahiana hitera-doza any amin’ny distrikan’i Vohémar ilay vary efa lany daty ana orinasa iray tany Antsanimalo nalevina tao anaty lavaka ary nodorana.

Nisy nangady tao anatin’ilay lavaka indray mantsy izy ireo ary naparitany teny an-tsena. Raha araka ny vaovao azo anefa dia mahatratra 4 kaontenera, milanja 106 taonina io vary lany daty io ka efa niparitaka teny an-tsena ny 50 %. Misy poizina anefa ireo vary ireo ary mety hahafaty tampoka raha tsy mitandrina ny mponina. Manoloana izany dia nisy ny fanentanana natao tamin’ireo mponina ao Vohémar ny faran’ny herinandro teo. Ny hany mampanahy kely dia ny mety ho fisiana fianakaviana efa nahandro sy nihinana ity vary misy poizina ity. Hatramin’ny fotoana nanoratanay anefa aloha dia tsy mbola nisy ny vaovao ratsy. Tao amin’ny faritra Ampondra no nitrangany, raha tsiahivina.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT