Sosialy

Varotra zazamenavava, taolam-paty,… 5 monja amin’ny 80 tapitrisa ny an’ilay reny


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Mpivarotra zaza mena ary mpanao aferana taolam-paty sy menaka azo avy amin'olombelona no tra-tehaky ny Polisi'ny PPA 3 tetsy Ankadimbahoaka ny Alatsinainy maraina lasa teo tokony ho tamin'ny 10 ora maraina.

Ny renin’ilay zaza ny iray ary mbola nahatratrarana zaza menavava iray volana sy tapany teny aminy. Alatsinainy maraina tamin'ny folo. Ramatoa iray koa no tratra teny Ivato noho ny aferana taolam-paty. Fantatry ny Polisy miasa ao amin'ny PPA 3 fa misy olona ahiahiana amina resaka trafikana zazakely sy taolam-paty teny amin’ny faritra Ankadimbahoaka. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ka nanao velam-pandrika. Vokany : olona miisa efatra (4) no voasambotra ka tao anatin’izany ny renin’ilay zaza mena vao iray volana sy tapany. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa 80 tapitrisa no namarotana ity zaza ity ka ny 5 tapitrisa amin'izany no anjaran'ny renin-jaza. Rehefa nitohy ny famotorana dia fantatra fa manao aferana taolam-paty ireto olon-dratsy ary manana vokatra amin'ny kilao maro izy ireo. Nitohy ny fisamborana ka tratra teny Ivato ny talata maraina ny vehivavy iray, nahatratrarana taolan-dava, maina, miisa 76 isa izay misy eo amin'ny folo kilao eo ho eo, ity farany izay niala tany Vohipeno ny Asabotsy lasa teo. Raha ny fanadihadiana hatrany dia notombanana 20 tapitrisa ariary ny kilao iray raha toa raikitra 10 tapitrisa ariary ny varotra.
Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT