Sosialy

Varotra tapak’andro Maty ho azy anaty fihibohana ny akoho fakana nofony


  • Talata 07 Aprily 2020

100 isan’andro sisa ny akoho fakana nofony azon’ireo mpisehatra amin’izany hamidy eto amintsika raha nahatratra 500 isa teo aloha, haparitaka amina mpivarotra 6 ireo raha kely.

 

 

 

Noho ny fisian’ilay fihibohana an-trano miampy ilay tsy fahafahana mivarotra manomboka amin’ny 12 ora atoandro no anton’izany ka miteraka fatiantoka ho azy ireo. Etsy an-daniny anefa hoy ny mpiompy akoho fakana nofony iray dia tsy mahazo mihoatra ny 45 andro ny fotoana hitazomana akoho fakana nofony iray fa miteraka fahafatesana ho azy izany ka na vonoina hohanina ilay akoho na avela ho faty ho azy dia jerem-potsiny. Mahatsiaro ho maty antoka tanteraka araka izany ireo mpiompy akoho fakana nofony eto amintsika koa mangataka fanampiana amin’ny Filoham-pirenena ihany koa raha toa ka misy ny azo hatao. Manenjika volan’ny banky ihany koa mantsy ny ankamaroan’izy ireny no sady mamelom-bady aman-janaka. Tsiahivina moa fa manana akoho 300 isa raha kely ny mpikambana iray raha mahatratra 1.000 izy ireo no mivondrona anaty fikambanana ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT