Sosialy

Varotra sy fanjifana Niaka-bidy ny menaka mandry


  • Talata 26 Novambra 2019

Tena mandeha ny varotra menaka eny amin’ny tsenan’Anosibe. Mahalany 40 ka hatramin’ny 60 litatra isan’andro mantsy ny mpivarotra iray rehefa tena mandeha ny tsena,

 

 

 

 mitotaly roa barika isan-kerinandro ho an’ny menaka mandry ( gezetala) sy tsy mandry vita amin’ny soja. Midina ho 20 litatra isan’andro kosa izany rehefa maina ny tsena.  Amin’ny ankapobeny dia ny menaka mandry no tena be mpividy na dia niakatra aza ny vidiny, hoy hatrany ny mpivarotra iray. Raha 3.600 Ar mantsy ny iray litatra tamin’ny herinandro  dia niakatra 3.800 Ar izany tamin’ity herinandro ity, fiakaram-bidy hatrany am-potony mihitsy.Anisan’ny antony hampiasain’ny mpivarotra hani-masaka menaka fanendy maharitra loatra io fiakaran’ny vidiny tsy mitsahatra  io, hoy ny fanazavana. Misy amin’izy ireny mantsy no mahatratra telo herinandro mbola hampiasaina ihany, hanendasana nem, sambos, ovy endasina, indrindra fa ny menaka mandry. Raha ny eny an-tsena manokana mantsy dia nilaza ireo mpivarotra fa tsy maka menaka be loatra tsy ho lafony ao anatin’ny fotoana fohy izany izy ireo. Tokony ho malina hatrany ny rehetra noho izany indrindra amin’izao andro mafana mampahazo vahana ny fahapoizinana ara-tsakafo izao. Ny  fampiasana menaka maharitra loatra mantsy amin’ny ankapobeny no tena fototra hipoiran’izany ankoatra ny maionezy.

 

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT