Sosialy

Varotra sy fanjifana Midangana andro aman’alina ny vidim-bary


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Mbola vao aty amin’ny volana desambra dia efa midangana izay tsy izy ny vidim-bary, manodidina ny 900 Ar noho mihoatra ny kapoaka ho an’ny vary mba tsaratsara kalitao, izay tena mampikolay vahoaka tokoa.

Any am-potony, tahaka ny any amin’ny Faritra Alaotra, efa tafiakatra 800Ar ny kapoaka amin’izao. Misy amin’ireo tantsaha aza no efa lasa mividy vary ny ankamaroany satria nivarotra mora ary mividy lafo. Tsy maintsy ny vokatra no navadika ho vola hiatrehana ny fiainana andavanandro kanefa avy eo lasa mividy lafo. Etsy andaniny, tsy manana politika mazava hifehezana an’io ny Fanjakana matoa roa taona aty aorian’ny nilazana fa hoferana 550 Ar ny kapoaka, eny fa na ireo vary ratsy kalitao ireharehan’ny mpitondra ho vahaolana aza tsy azon’io. Na ny vola hanafarana aza ve hisy intsony, raha tarafina amin’ilay hoe: bokan-trosa ananan’ny Serananantsambon’I Toamasina 14 miliara Ar ny SPM (State Procurement of Madagascar). Ny mason-karena any ivelany ihany koa anefa miakatra satria noho ny krizy maneran-tany, dia mifehy sy mametra ny fanondranana ataony ireo firenena mpamatsy tahaka an’I Inde, Pakistan, Japon,… Vao aty amin’ny volana desambra, mbola tsy misy resaka rivodoza sy andro ratsy, dia efa izao no miseho. Mampanahy ny aoriana, ary ahiana hihamafy ny krizy, raha izao fandehan-draharaha izao. Ny resaka fiompiana sy fambolena moa eto amintsika, toa tsy dia angadin’ilay Fanjakana fa ny azy mila zavatra ahafahany manasongadin-tena miorina amin’ny haitraitra sy seho ivelany: Miami, teleferika, Tanamasoandro, kianja,… Malagasy hatrany amin’ny 8,8 tapitrisa no voalaza fa anaty tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, niakatra ho 81% ny tahan’ny mahantra fadiranovana,… saingy mbola sahiny ny mirehareha fa izy, hono, no voahosotra ho tompondakan’ny tsy fanjariana ara-tsakafo aty Afrika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT