Sosialy

Varotra sy fanjifana Mampitandrina ireo mpanararaotra vidin’entana ny fanjakana


  • Talata 05 Aprily 2022

Taorian’ny fihaonana sy ny dinika nifanaovan’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra tarihin’Atoa Edgard Razafindravahy tamin’ny mpamongady omaly maraina,

ireo mpaninjara sy ireo Lehiben'ny tsena indray no nihaona tamin’ity minisitra ity taorian’izay. Tafiditra amin'ny dinika mialohan'ny famoahana ny famerana ny vidin'entana ambony indrindra sy ny tombony azon'ny mpivarotra alaina io, raha ny fanazavana. Samy efa nihaona tamin’ny minisitera izany ny solontenan’ireo toko telo mahamasa-nahandro eo amin'ny entana ilaina andavanandro (mpanafatra, mpamongady, mpaninjara) izay efa nanomboka tamin'ny zoma lasa teo. Dingana takian'ny fampiharana ny lalàna 2018-020, andininy faha-2 ireo fihaonana ireo alohan'ny handraisana ny didim-panjakana famerana eo amin'ny Filan-kevitry ny Minisitra. Nomarihina sy notsiahivina fa manan-kery ao anatin'ny telo volana izany fepetra famerana izany ary azo havaozina indray amin'ny telo volana manaraka araka ny fivoaran'ny toe-java misy eto amin'ny firenena. Nampitandrina hatrany ireo mpandraharaha rehetra voakasika ny Minisitera fa tsy hilefitra intsony raha toa ka misy tsy fanarahana sy tsy fanajana ny famerana hapetraka. Hiroso amin'ny fampiharana ny lalàna voalaza etsy ambony ao amin'ny andininy faha-55 sy faha-62 raha misy tsy fanajana io famerana nifanarahana io, hoy hatrany ny fanamafisana. Tsara moa no mampahatsiahy, fa nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 30 martsa teo io fanapahan-kevitra hamerana ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro io hisorohana ny fanararaotana sy fampidanganana ny vidiny. Andrasana araka izany ny fivoahan’izay famerana izay, ka irariana mba tena hisy ny fanaraha-maso sy ny fampiharana azy. Mila jerena ihany koa etsy andaniny ny vahaolana hampiakarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, izay miha mahantra fadiranovana hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT