Sosialy

Varotra sy fanjifana Ho avy ny vary 32.000 taonina avy any Inde


  • Talata 29 Desambra 2020

Mbola midangana hatrany ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao. Efa mananika ny

 

 


700 Ar mahery ny iray kapoaka ho an’ireo karazam-bary hany mba tsaratsara nefa vao manomboka misantatra ny maitso ahitra isika. Manoloana izany dia nitady vahaolana hafa ny Fitondram-panjakana na dia efa nisy aza ny fifampiresahana nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpivarotra teny Anosibe sy ny manodidina. Nanafatra vary avy any Inde milanja 32.000 taonina izy ireo ka fantatra fa ho avy eto amintsika tsy ho ela izany. Tanjona hotratrarina ny hahafahana mivarotra 500 Ar isan-kapoaka ho an’io karazam-bary vao nafarana io hahafahana manentsina ny banga mety hampidangana ny vidim-bary eto amintsika. Inoana araka izany fa tsy karazam-bary efa lo sy misy fofona indray no hamatsiana ny Malagasy amin’ny vidiny mora. Aretina indray mantsy no mety ho hita raha izay no zavatra hitranga.

 

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT