Varotra sy fanjifana

Entana lany daty an-jato taonina sarona


  • Alakamisy 29 Janoary 2026

Nisy fitarainana maro voarain'ny

Fiadanan'ny Fanavaozana ny Repoblika avy amin’ny vahoaka mikasika ny fiparitahan’ny sakafo sy entana fampiasa andavanandro efa lany fetrandro eny an-tsena ka nidina ifotony nijery izany ny Cellule Anti-Corruption sy ireo Commissaire de Commerce miisa telo ary Contrôleur de Commerce miisa roa ny talata 27 janoary 2026. Araka ny tatitra ofisialy, tratra tao amin’ny orinasa ENC INTERTRADE CD eny Forello Tanjombato ireo entana tsy ara-dalàna toy ny siramamy 120 gony milanja 50 kilao isanisany izay efa simba tanteraka, savony 5083 efa tapitra fetrandro na tsy misy daty mihitsy, barika 73250 litatra misy ranon-tsavony fanasana loha efa lany daty, ary savony citron frais 5492 baoritra efa lany fetrandro. Nakatona avy hatrany ireo trano fitahirizana entana ary nogiazana avokoa ny entana rehetra tao anatiny ary efa manomboka ny famotorana hamantarana ny fomba nahatafiditra ireo entana tsy ara-dalàna eny an-tsena. Mitohy hatrany ny asa ataon’ny Cellule Anti-Corruption miaraka amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny ady amin’ny kolikoly izay mety hamoa-doza amin'ny fahasalaman’ny olom-pirenena. Tena tsy entana kely ireto tratra ireto fa tena an-jato taonina, izay midika fa mety misy kolikoly avo lenta ny fikasana mbola hamela izany hiparitaka eny amin'ny tsena, saingy izao sarona izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT