Sosialy

Varotra sy fanjifana Avy aiza marina ireo omby hohanin’Antananarivo ?


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Fanontaniana mbola tsy ahitam-baliny hatramin’izao ny hoe : Fa mankaiza marina ireo omby hangalarin’ny dahalo ireo ?

 

 

 Mivoaka an’i Madagasikara ve ? An-jatony maro no indray lasan’ny dahalo, ary isan’ny nisongadina ilay 500 tany Lavaraty ny 23 mey nisiana fahafahatesana fokonolona 19 sy miaramila 2, ary trano may 300. Ny antsasa-manila no tafaverina raha be indrindra, ary very an-javony voalaza fa tsy araka ny làlana nitondrana ny omby ary mahafehy kokoa ny toerana ny dahalo. Mankaiza marina ary izany? Resaka mety tsy mitombina amin’izao vanim-potoan’ny covid-19 sy fikatonana sisin-tany amina firenena maro izao izao io. Havadika ho sakafo am-by fotsy avy hatrany ve dia miondrana entin’ny sambo ? Sa miodina amin’ireo tsena anatiny ihany lasa eny amin’ny mpivarokena? Antananarivo no tena mihinana hen’omby be, mahatratra 500 ka hatramin’ny 700 omby isan’andro. Avy aiza daholo ireo omby ireo? Ny zavatra tsikaritra ihany koa dia taorian’ny tsy fahampian’ny famatsiana noho ny aretina “Fièvre de la vallée du Rift” namely tany amin’ny volana martsa-aprily-mey 2020, izay nandripaka omby an’arivony no nipongatra be tampoka ny asan-dahalo. Mazava ho azy fa rehefa nisy ny aretina, dia tsy ampy ny famatsiana. Faritra telo no tena nanjakan’io dia Atsimo Andrefana, Vatovavy Fitovinany ary Diana. Noraisina rahateo ny fepetra tamin’izany, ka tsy nahazo nivoaka ireo faritra ireo ny biby fiompy. Sao dia fanodikondinana saim-bahoaka fotsiny noho izany ilay hoe aondrana fa afera miainga eto an-toerana no anton’ny halatr’omby. Omby halatra voadio ve izany no mitobaka eny an-tsena ? Ny azo antoka aloha dia tambajotra goavana io, ary tsy hoe mangalatra omby fa te hanao fiompiana ny dahalo fa misy mpaka ny omby matoa alaina ary efa misy isa mazava io kaomandy io. Avo lenta io toe-javatra iray io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT