Sosialy

Varotra hani-masaka Zava-dehibe ny fahadiovana


  • Talata 12 Mey 2020

Fomba iray ho enti-miady amin’ny aretina Coronavirus ny fanajana ny fahadiovana. Ankoatra ny ao an-tokantrano sy ny manodidina dia zava-dehibe ho an’ny fahasalamana ihany koa ny fahadiovan’ny sakafo hanina.

 

 

 

 

Lohalaharana amin’ireny ny eny amoron-dalana toy ny composé sy ny lasopy izay 500 Ar dia efa mahazo ary tena tian’ny olona tokoa. Toraka izany koa ny vary maina izay 1.000 Ar dia efa mihinana miaraka amin’ny laoka henomby farafaharatsiny. Mila fitandremana ihany anefa izy ireny. Tsy vitsy mantsy ireo mpivarotra no maika hahalafo fotsiny ka mionona amin’ny rano kely iray sceau hanobanana ny lovia sy ny sotro. Samy manana ny toe-pahasalamany anefa ny tsirairay. Tsy tokony hohadinoantsika rahateo fa ny rora na rarakivy no anisan’ny tena mamindra haingana ny tsimok’aretina coronavirus izay mifindra amin’ny alalan’ny sotro fihinanana sy ny lovia. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo mpivarotra mba hanaja ny fahadiovana raha takiana ihany koa ny fanaraha-mason’ireo tompon’andraikitra. Tokony hitandrina ihany koa isika mpanjifa ka miezaka ny misakafo any an-tokantrano hatrany. Efa tapak’andro rahateo no miasa amin’izao fa tsy tontolo andro intsony noho ny fihibohana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT