Sosialy

Varotra hani-masaka Omena fiofanana ireo mpivarotra ao Antehiroka


  • Zoma 08 Aprily 2022

Tena hiankinan’ny fahasalamana ny sakafo hanina. Anisan’ireny ny sakafo hamidy eny amoron-dalana izay handraisana fepetra manokana manomboka izao ho an’ny kaominina Ambohibao Antehiroka,

 tarihin’ny Ben’ny tanàna Atoa Lalaina Vatosoa. Rehefa tsy manara-penitra mantsy izy ireny dia mety hiteraka fahapoizinana ara-mitarika mankany amin’ny fahafatesana mihitsy ka tsy azo hatao kilalao. Tranga misy hatrany izany isan’andro ho an’ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha. Hisy araka izany ny fanentanana ireo mpivarotra ao amin’ity kaominina ity. Tsy maintsy manana fitaovana toy ny vitrine…. avokoa ny mpivarotra rehetra mivelona amin’izany hametrahana ireny composé ireny. Tsy maintsy misy fitaovana fanasan-tanana ihany koa hiarovana amin’ny loto sy ny mikraoba…. Arahina fanaraha-maso ny fampiharana ny hetsika aorian’izany izay vao mety ho tonga any amin’ny fanasaziana raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity hatrany. Ho an’ny kaominina Antehiroka moa izay fandraisana fepetra izany fa andrasana kosa ny an’ireo kaominina hafa.
Pati
Legende : Atoa Lalaina Vatosoa, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohibao Antehiroka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT