Sosialy

Varotra hani-masaka Mihena be ny mpividy, masiso am-pitoerana ny entana


  • Zoma 05 Novambra 2021

Maina ny tsenan’ny varotra hani-masaka amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao. Raha nahalany vary 10 kapoaka isan’andro ny mpivarotra iray teo aloha dia tsy misy afa-tsy 5 kapoaka sisa izany ankehitriny.

 Nahena mifanaraka amin’izay ihany koa ny laoka miaraka aminy hisorohana ny fatiantoka, hoy hatrany ireo mpivarotra. Noho ny tsy fananan’ny olona vola no antony mahatonga izany. Niakatra ihany koa mantsy ny vidin’ny sakafo noho ny fiakaran’ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Raha 1000 Ar ohatra dia efa mihinana vary maina iray lovia teo aloha dia niakatra ho 1500 Ar izany raha tsy ferana intsony ireo manao 2000 Ar no miakatra. Aleon’izy ireny miaina amin’ny fihinanana lasopy 300 Ar sy compose 500 Ar miaraka amin’ny ron-dasopy hoy ny mpivarotra iray fa nilaozany mihitsy ny fihinanam-bary. Efa ho roa volana moa izao no tena nampamaina ny tsenan’ny hani-masaka teto amintsika raha mifanohitra amin’izay kosa ny tsenan’ny ranom-boankazo izay tsy maharaka mihitsy noho ny fiakaran’ny hafanana, indrindra fa amin’ny atoandro.
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT