Lasa mamelona olona maro ny varotra friperie eto amintsika. Mahazo tombony 100.000 Ar isaky ny balle mantsy izy ireny rehefa tena mandeha ny tsena. Amin’ny vanim-potoana ririnina tahaka izao dia be fividy hatrany ireo akanjo mafana.
Aleon’ny olona mividy friperie toy izay mividy vaovao izay tena midangana tokoa ny vidiny eto amintsika. Raha 100.000 Ar vao mahazo akanjo ba iray vaovao any amin’ny botika dia 5.000 Ar dia efa mahazo akanjo ba iray raha lafo eny amin’ny friperie amin’ny karazany maro azo hisafidianana mihitsy. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra iray dia avy any Sina, Eoropa… ireny friperie mitobaka be eto amintsika ireny. Misy ireo mbola tsara hakan’ny mpivarotra sasany lohan’entana fotsiny ary hahazoany tombony an-tsasa-bidy be izao. Misy ihany koa ireo antononontony izay azo hamerenana mason-karena na ahazoana kely fotsiny. Amin’ny ankapobeny dia eny Andravoahangy no tena fakan’ireo mpivarotra friperie entana eto an-drenivohitra. Misy ireo mijanona ho mpanera fotsiny izay maka entana amin’ny bal dia mivarotra amin’ny bal ihany tsy ilana tsena. Misy koa anefa ireo tena mivarotra mipetraka mihitsy. Ny akanjon’ankizy moa no tena hahazoana tombony, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany satria lafo raha oharina amin’ny akanjon’olon-dehibe.
Pati / Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.