Sosialy

Varotra fiara vaovao sy efa niasa Ny marika koreana no be mpanjifa…


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Tsy arakaraka ny filazana fa firenena mahantra indrindra i Madagasikara kanefa mandeha ny varotra fiarakodia eto amintsika na vaovao na koa efa niasa.

 Tsy miainga tsara izy izao fa kosa azo heverina tsara ny vokatra saingy tsy ampy ny fampiasam-bola noho ny fahatahorana fisian`ny krizy politika, hoy i Hery mpivarotra fiara etsy Antanimbarinandriana. Karazana fiara no amidiny fa ny marika koreana no be mpanjifa, hoy izy, noho ny bikany sy ny fitsitsiany solika. Manomboka eo amin`ny 12 tapitrisa ariary hatramin`ny 40 tapitrisa ariary ny vidin`ireo fiara na kely na ireo tsy mataho-dalana. Nomarihany fa ny Malagasy no tena manjifa ireo fiara ireo. Mahakasika ny fandoavam-bola kosa dia mivantana avokoa (paiement espece) fa tsy miditra banky. Misy kosa anefa ny fepetra raisin` ireo mpivarotra fiara sasany rehefa tonga amin`izay sehatra fandoavam-bola izay. Ho an` ireo mpivarotra fiara vaovao kosa, raha ny tatitra voaray (tatitra Salon de l`auto 2018) dia 3000 isan-taona ny fiara lafo ary 7 000 isan-taona nefa varotra fifaninanana tsy ara-dalàna no betsaka. Ny ankamaroan`ireo mpivarotra na mpanelanena, tsy mandoa haba sy vola hafa tokony hiditra amin`ny fanjakana. Tsy hita loatra ny fandraisana andraikitra amin`ny fanasaziana satria raha matiantoka ireo mpivarotra firakodia vaovao, very ny vola ny fanjakana. Tsy mahagaga aloha raha mitohana ny fifamoivoizina noho ny fivezivezen’ny fiara madinika sy ny fiara vaventy eto Madagasikara.

 

Marigny A.

 

 

3 100 isan-taona ny fiarakodia vaovao lafa.

 

Varotra fiara occasion..mbola mandeha ve ny tsena amin’izao fotoana, inona avy ny karazana fiara tena be mpitady..ohatrinona, ahoana nyf omba fandoavana ny vola ?

Mandeha ny varotra fiarakodia vaovao sy efa niasa eto Madagasikara na lazaina aza fa isan`ny firenena mahantra indrindra

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT