VAROTRA ETO ANTANANARIVO

Tena tsy manaja fepetra, mandoto tanàna sady loharanon’aretina


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Toerana maro eto Antananarivo renivohitra, indrindra rehefa vao maraina no ahitana varotra sakafo amin’ny tany

Tsy fantatra anefa hoe inona no nitranga teo tamin’ny alina.Mazava tsara anefa ny ambaran’ny And faha 43 ao amin’ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana manao hoe : « Ny varotra rehetra dia tsy maintsy ambony akalana miala fitopolo santimetatra (70 sm) amin’ny tany. Ny tsy fanajana ireo fepetra voalazan’ity toko ity dia mahatonga izay nanao izany ho iharan’ireo sazy vonodina voalazan’ity Fehezam-pitsipika ity. Ireo sazy vonodina voalazan’ity Didim-pitondrana ity dia azo ampiharina aorian’ny fampitandremana tsy nisy vokany, ankoatra ny tsy maintsy handraofany ireo entam-barotra. ». Tsy voahaja ilay 70 sm fa dia tazanim-potsiny isan’andro.

HANI-MASAKA
Raha miresaka hani-masaka indray dia izao no ambaran’ny andininy faha 35 : « Hentitra ny fandraràna ny fivarotana hanimasaka ivelan’ny toerana voatokana sy nojariana manokana ho amin’izany ao anatin’ny tsena. Ny tsy fanajana io lamina io dia mitarika fandraofana avy hatrany sy fanapotehana ireo entana aorian’ny fitanana an-tsoratra ataon’ny mpanenjika ny fandikan-dalàna. » . Ny zava-misy sy hita anefa dia samy manao izay saim-pantany amin’ny toerana sy ny fotoana maha mety azy, raha ny tokony ho izy anefa dia misy toerana voatokana natao ho azy ireny, fa tsy hoe misy isaky ny kihon-dalana sy eny rehetra eny.

MILA FAHADIOVANA
Fa ankoatr’izay dia mametraka mazava tsara ihany koa ny andininy faha 42 ao amin’ity Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana fa ny mpivarotra isan-karazany rehetra dia tsy maintsy manana kifafa sy fanariampako tsirairay avy izay hametrahany ireo fako rehetra noho ny fanatanterahany ny asany. Ny fanariana izany fako sy karazam-pako izany anaty toerana iombonana dia tsy maintsy hataon’ireo mpivarotra ihany, manomboka amin’ny 5 ora hariva mandra-pikatonan’ny tsena . Izay aloha ny soratra sy ny fitsipika fa mba ahoana kosa ny fanatanterahana azy ? maivana be mba tsy itenenana hoe tsy misy, dia izay anefa no antom-pisian’ny mpitondra sy mpitantana ny kaominina dia eo ihany koa ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka , ny minisiteran’ny fahadiovana sy ny fidiovana ary ny rano. Sa ve ilay mikorontana sy maloto be isan’adro mihitsy no mahafinaritra, na sanatria andrasana efa an-jatony no marary noho ny mikraoba azo avy amin’ny sakafo maloto na fahapoizinana ara-tsakafo mihitsy vao handray andraikitra ? Aoka tsy ho adino anefa fa lafo kokoany mitsabo ny aretina noho ny misoroka azy.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT