Varotra amoron-dàlana sy tsy ara-dalàna

Hanamafy ny fanenjehana ny CUA…


  • Talata 23 Janoary 2024

Nanamafy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra omaly

fa voarara ary tsy azo ekena mihitsy ny fanaovana varotra ivelan’ny toerana voatokana ho amin’izany na inona na inona entana hamidy. Misy ireo fenitra mifehy manokana ny fahadiovana sy fandaminana ny tsena eto anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hoy izy ireo ary efa voasoratra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an'ny fikoloam-pahasalamana izany. Ireo toerana rehetra natokana ho an'ny tsena ihany koa dia nomarihin’izy ireo manokana fa tsy maintsy hanaovana fanadiovana faobe. Izany no natao dia mba ho fiarovana amin'ny otrik’aretina sy ho famonoana ny bibikely ara-potoana. Ny mpivarotra isan-karazany rehetra eo an-danin’izay dia tsy maintsy manana kifafa sy fanariam-pako tsirairay hametrahany ireo fako rehetra manodidina azy sy ny nataony. Notsiahivin’izy ireo moa fa ny fanariana ny fako sy ny karazam-pako dia hatao anaty toerana iombonana ary ny mpivarotra ihany no manao izany manomboka amin'ny 5 ora hariva mandrapikaton'ny tsena. Ho an'ireo mpivarotra hani-masaka kosa, dia tsy maintsy sasany sy dioviny ny toerana nivarotany alohan'ny hikatonany amin’ny hariva. Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia miteraka fandoavana sazy arahana fandraofana ny entana hoy hatrany ny kaominina.
Pati
Legende : Tsy eken’ny kaominina intsony ny mpivarotra amoron-dalana tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT