Sosialy

Variana tamin’ny fandresen’i Barea ny olona Niakatra 3.300 Ar ny kilaon’ny vary omaly


  • Talata 31 Janoary 2023

Raha mbola variana sy faly tamin’ny fandresen’ny ekipam-pirenena Barea an’i Mozambika tamin’ny isa 3 no iray avokoa ny rehetra omaly dia misoko mangina hatrany ny fisondrotry ny vidin’entana eny an-tsena,

indrindra fa ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Tafakatra 3300 Ar ny iray kilao tamin’ny vary makalioka omaly raha mbola 3000 Ar tamin’ny faran’ny herinandro. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray dia hatrany am-potony mihitsy io vidim-bary miakatra io. Noho ny haratsian’ny lalana vokatry ny rotsak’orana no nambarany fa anton’izany ka manosika ireo fiara vaventy rehetra hampiakatra ny saran-dalana hitaterany izany ihany koa. Saika nimenomenona avokoa vokatr’izany ny ankamaroan’ny mpividy tonga teny an-tsena omaly. Lela-vola 3000 Ar hatrany mantsy no nomanina mba hividianana vary iray kilao saingy voatery nampiana 300 Ar indray izany vola tokony namidy fangaron-daoka kely. Raha araka ny nambaran’ireo mpivarotra moa dia mbola mety hiakatra hatrany ny vidim-bary mandrapahatapitry ny fotoam-pahavaratra eto amintsika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT