VARATRA TANY ANJOZOROBE

Trano iray potika, zaza roa naratra


  • Alatsinainy 19 Janoary 2026

Zava-doza no nitranga tany

Tsarasidina Fokontany Morafeno, kaominina Amparatanjona Distrikan'Anjozorobe ny zoma 16 janoary teo tokony ho tamin'ny 10 ora alina. Nirefotra tampoka ny varatra ka️ trano iray no lasibatra. Potika tanteraka ny tapenaka nandalovany sy ny varavarankely nivoahany. Zaza miisa roa 11 sy 14 taona, natory tao an-trano koa no voamafy main'ny tselatr'afo raha omby vositra iray no maty. Tsy nisy ahiana kosa ny ankohonana ambiny. Tsiahivina fa ny omby no anisan'ny halam-baratra indrindra raha oharina amin'ny biby fiompy hafa toy ny akoho amam-borona. Tsara kokoa noho izany ny manalavitra ny omby na andian'omby amin'ny fotoana hisian'ny oram-baratra.Tsy dia mety loatra noho izany ny tranon'omby ampiarahina amin'ny trano fonenana eny fa na dia amin'ny lafiny ara-pahasalamana fotsiny aza.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao no nihafaran'ilay trano sy omby !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT