Sosialy

Vaomiera mpanadihady ny olan’ny aditany Handinika ny fitarainan’ny Tiko Ambanja sy Mandoto


  • Zoma 17 Desambra 2021

Mitohy hatrany ny asanay eto anivon’ny vaomiera mpanadihady ny olan’ny aditany miverimberina eto anivon’ny antenimieram-pirenena, hoy ny filohan’izy ireo, ny depiote Naivo Raholdina, tetsy Tsimbazaza omaly.

Aman-jatony ireo dosie tonga. Tsy manavakavaka sy mangarahara ny fanadihadiana ataonay, hoy ity vaomiera ity. Dosie miisa 4 eo no alainay ho amin’ny anio (TTF: omaly), hoy izy ireo. Isany ny fitarainan’ny Tiko Ambanja sy Mandoto. Isany koa ny eny Sabotsy Namehana sy Ambohimanarina. Na ho tapitra aza ny fivorianay ara-potoana dia miasa foana ity kaomisionina ity. Hamafisina fa hatramin’ny 31 desambra izao ny fandraisana fitarainana farany ho an’ity taona ity. Mikasika izay nidinanay ny herinandro teo toy ny eny Antanandrano dia mbola hisy indray ny fidinana eny an-toerana. Efa manomana fotoana amin’ny resaka ady amin’ny mpandova sy ny orinasa Telma izahay. Ny eny Fenoarivo dia mbola hamafisinay fa misy olona vitsivitsy. Isany ny ben’ny tananan’I Fenoarivo sy ireo ben’ny tanana hafa iray tsikombakomba na voatonotonona amin’io raharaha ady tany io dia ho antsoinay aty. Zonay izany. Rehefa mivoaka ny fehinkevitray dia eo izahay hiteny ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mety hisy ny tatitra ataonay amin’ny Bianco na PAC raha tena hitanay fa misy kolikoly. Mety hisy fifampiresahanay sy fifampiantsoanay amin’ny minisitry ny fitsarana mikasika ny resaka hoe misy didim-pitsarana tsy rariny na tsy ampiharina. Ny eny Antanandrano izao, ohatra, efa namoaka didy ny fitsarana fa haato ny asan’ny Telma nefa izy ireo mbola miasa ihany. Zonay ny mampiantso azy na minisitra io na ben’ny tanana. Tsy fanaparam-pahefana fa fahefana omen’ny lalana anay izany, hoy hatrany izy ireo. Ao anatin’izao fety izao dia nifampiresaka tamin’ny minisitry ny fitsarana aho, hoy ny filohan’ity vaomiera ity, fa tsy tokony hisy fanalana vahoaka amin’ny taniny raha mbola azo ifampiresahana izany. Mbola anaty ahamehana ara-pahasalamana isika no ao anaty fety ka tokony dinihina tsara izany satria misy vadintany sasany maika ny hahazo vola dia na didy tsy tokony mbola hampiharina aza dia maika ery izy hanatanteraka azy, hoy hatrany ity vaomiera ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT