Sosialy

Vaomiera mpanadihady ny ady tany “Ny fanjakana ihany no afaka mivarotra tanim-panjakana”


  • Alarobia 19 Janoary 2022

Nisokatra androany indray ny fotoam-pivoriana sy taom-piasan'ny vaomiera mpanadihady ny ady tany eny amin'ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza.

Ireo fitarainana voarain'izy ireo hatramin'ny 31 Desambra 2021 no horaisin'izy ireo, hoy ny fanazavan’ny filohan’ity vaomiera ity, Naivo Raholdina. Isan'izany ny raharaha Antanandrano iadian'ny malagasy mpandova sy ny orinasa Telma, izay efa nahafeno ny antotan-taratasy rehetra ilaina, efa nanaovan'ny filohan'ny vaomiera tatitra tany amin'ny minisitry ny fitsarana, Imbiky Herilaza, izay efa nampanantena ny hijery ity raharaha ity akaiky araka ny lalàna izany. Anomboka ny fidinana ifotony koa ireo solombavambahoaka mpikambana ao anatin'ity vaomieraa ity ka ny raharaha Antanandrano no hanombohana azy. Nanisy resaka mahasika ireo mpanao politika mikasa hampiditra resaka politika amin'ny resaka fananan-tany koa i Naivo Raholdina. Ny fanjakana, amin'ny alalan'ny ministera ny fanajariana ny tany irery ihany, no afaka mivarotra tanim-panjakana, hoy izy. Madio mangaraharaha ny asan'ny vaomiera mpanadihady ny ady tany eny amin'ny Antenimieram-pirenena.Tsy mitanila na miandany koa. Ahitana solombavambahoaka IRD, TIM, GPR sy ny rehetra ao anatiny. Aoka tsy hampidirana politika ny resaka aditany! Ny politika sy olom-boafidy mandalo fa ny tanin’ny Malagasy mitoetra foana. Fanokafana ny anio fa manana eo amin’ny 4 volana eo izahay handinihina ireo dosie ka ny fivoriana ara-potoananay amin’ny volana may no hanaovanay ny tatitra sy hilazanay ny vokatry ny fanadihadiana amin’ny tompon’andraikitra. An-jatony ireo dosie voaray hatramin’ny 31 teo ka izay ao anatin’ny fahefanay ihany no dinihinay fa torohevitra kosa no omenay ho an’ireo raharaha hafa toy ny raharaha efa anatin’ny fitsarana efa mandeha izay tsy azonay idirana intsony, hoy hatrany ity vaomiera ity tetsy Tsimbazaza omaly. Tsaho, hoy ny filohan’izy ireo, noho izany, ny filazana fa nivarotra tanim-panjakana tamin’ny filoham-pirenena frantsay teo aloha, Nicolas Sarkozy, ny tenako.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT