Sosialy

Vanim-potoanan’ny maitso ahitra Betsaka ireo mpianatra tsy mahaloa ekolazy


  • Talata 26 Martsa 2019

Betsaka ireo mpianatra tsy nahaloa saram-pianarana mandritra ny fotoanan’ny maitso ahitra, izany hoe nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona.

   Tamin’ny volana janoary no tena mafy be, hoy Rtoa  Solonandriana Lanto, talen’ny kolejy La Prime etsy Anosibe. Betsaka tamin’ireo ray aman-dreny no tsy nandoa mihitsy fa niandry volana febroary. Nisy ihany koa ireo tsy nahaloa ka nitambatra tamin’ity volana martsa ity. Mba tsy hahatonga izay hitambatra hatramin’ny telo volana anefa dia nandray fepetra hentitra  Rtoa Solonandriana Lanto ka tsy navelany nianatra intsony ireo ankizy tsy nahaloa tamin’ny volana martsa. Tafiditra ao  ireo saram-pianarana tsy ampy 3.000 na 2.000 Ar fa alain’ireo ankizy mpianatra. Nomarihiny fa ny ankamaroan’ireo mpianatra mihitsy no lasibatra. Saika mitovy daholo ihany koa ny antony dia ny fanenjehana versement sao hatakon’ny tompony ny tsena. Saika zanaka mpivarotra avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo ankizy manovo fahalalana eo anivon’ny kolejy La Prime Anosibe.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT