Ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina ankehitriny dia 93. Ny mahafaly dia ny hoe na mitombo aza ny voa, dia 11 no sitrana.
Izao no hiezahantsika ny hifehezana tsy hisy maty tahaka ny any Frantsa, izay mahatratra 1000 ao anatin’ny iray andro. Misy ny milaza fa halefa hanaparitaka coronavirus ireo olona hody amin’ny nihaviany, hoy I Andry Rajoelina Filoham-pirenena omaly hariva. Ny fanapahan-kevitra rehetra, dia misy foana ny antony. Ny adidin’ny fitondram-panjakana dia ny miaro mba tsy hiparitaka ny valanaretina. Nisy ny hoe tsy afaka mivoaka intsony ny taksibrosy tamin’ny fanapahan-kevitra tamin’ny 15 andro voalohany. Reko ny fitarainan’ny olona tavela teto, nisy ny nitsabo tena, nisy ny mpianatra, nisy ny mpanao fanatanjahantena. Nandritra ny 15 andro dia betsaka ny fitarainana. Nangataka ireo olona ireo: nandefa taratasy, nandefa hafatra tamin’ny tambajotran-tserasera. Nisy ny niteny hoe: nahoana ny olona avy any amina firenena vahiny efa “stade 3” no navela nody. Napetraka ny hoe talata 7 ka hatramin’ny 9 aprily dia afaka mamonjy ny toeram-ponenany. Tsy niteny mihitsy aho hoe mahazo mandeha ireo te haka rivotra, hanao vakansy. Betsaka ny olona nibosesika hamonjy ny faritra. Nojerena ny karapanondro, ny antony andehanany any amin’ny faritra. Misy ny nitsabo tena, nividy entana,… Efa noraisina ny fepetra rehetra. Tsy ny fitondram-panjakana mihitsy no handefa olona marary any amin’ny faritra, saingy isika sarotra alamina, ary misy aza ny manararaotra toy ny mampiakatra saran-dàlana, hoy i Andry Rajoelina. Nanome toromarika ny handefasana amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny zava-misy any ivelany toy ny olona maro be maty ny tenany, ahitan’ny Malagasy ny zava-misy marina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.