Sosialy

Vaky trano teny Alasora Nanjavona hatramin’ny reny akoho sy voromailala


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambodivondava Andrefana ary natolotra ny polisim-pirenena ao amin’ny CSP Alasora ny alarobia faha 18 martsa teo rehefa avy namaky trano.

Tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro no naharay antso avy amin’ny fokonolona tao Ambodivondava Andrefana ny polisy mahakasika ny fahatraran’izy ireo lehilahy 01, 29 taona, vao avy namaky tranon’olona teny an-toerana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisy nizaha ifotony ny zava-nitranga ka voaaro tamin’ny fitsaram-bahoaka ity olon-dratsy ity. Marihina fa tamin’ny fotoana nahatrarana azy io dia mbola teny amin’ity lehilahy ity avokoa ny fitaovana famakiany trano toy ny famaky sy ny « barre à pince ». Ankoatra ireo dia tratra teny aminy ihany koa ny finday maromaro sy fahita lavitra lehibe 01, ny fitaovan-dakozia maro toy ny vilany sy ny fatapera, ary ny biby fiompy rehetra tao an-trano toy ny reny akoho sy ny zanany, ny voromailala vitsivitsy. Nandritra ny fanadihadiana ity voasambotra ity moa dia niaiky avy hatrany ny helony izy. Mbola mitohy ny fanadihadiana ary rehefa vita izany dia haverina amin’ny tompony ihany koa ireo entana ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT