Sosialy

VAKY FASANA TENY AMBOHIDRATRIMO Notakian’ny zazamena 5 tapitrisa ireo lasibatra


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Nitrangana vaky fasana tany Marokibobo, Manjaka Avaradrano, distrikan’Ambohidratrimo, ny talata 15 oktobra lasa teo.

 Fasana  fianakaviana maromaro mitokana amina toerana iray no lasibatra. Lasan’ireo mpanao ratsy avokoa ny taolambalo rehetra tao anatiny. Rehefa nidodododo nitady tompon’andraikitra ireo tompom-pasana dia ireo zazamena na ireo dahalo niova fo milaza fa hiaro ny mponina no tonga nanatona azy ireo. Zavatra hafa mihitsy anefa no nitranga, hoy ny solombavambahoakan’Ambohidratrimo Rakotoarisoa Johnny. Notakian’ireo zazamena vola mitentina 5 tapitrisa Ar  indray mantsy ireo tompom-pasana mba hanarahan’izy ireo sy hikarohany ireo mpanao ratsy, hono. Manoloana io tranga io dia miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny momba ireny zazamena sy zazamainty miasa any ambanivohitra ireny ity solombavambahoaka ity. Matoa misy ny fitakiana vola tahaka izao, dia izy ireo ihany no ahiana ho namaky io fasana io, hoy ny fanazavana. Ny hanampy ny vahoaka sy hiaro azy ireo amin’ny  fananany no tanjona fa tsy hambotry ka ireo efa tra-pahasahiranana indray no takiana vola, hoy izy. Efa mandray an-tanana ity resaka vaky fasana tao Marokibobo ity moa ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT