Sosialy

Vakinankaratra Tovovavy iray saika namidy70 tapitrisa Ariary


  • Zoma 06 Desambra 2019

Olona efatra malaza amin’ny fivarotana sy fanondranana olona no saron’ny zandary avy ao amin’ny GAPJ Vakinankaratra ny talata lasa teo.

 

 

 

 

Avy tamina olona tsara sitrapo no nahazoana ny loharanom-baovao raha efa andro maromaro kosa no nametrahan’ireo mpitandro ny filaminana ny vela-pandrika.  Sarona ny 01 desambra 2019 tamin'ny 11 ora alina ny iray, raha  ny maraina kosa no tratra ireo  telolahy namany. Niaiky ny helony tamin’izany i Jonah, Jean Charles ary  Damily samy avy any Morafeno Anjoma/Ramartine, raha avy any Mandoto kosa ny iray. Fantatra tamin'ny alalan'ny findain'izy ireo fa 70 tapitrisa Ar  no hivarotany ny olona iray. Avotra soa aman-tsara tamin’izany  Rtoakely Hanitra,  izay sakaizan'i Jonah ilay mpivarotra olona  ihany.  Mbola karohina kosa ny atidoha nikotrika ity raharaha fivarotan’olona ity. Miantso ny rehetra mba hiantso ny laharana maitso 119 hatrany  ny zandary, raha vantany vao mahita tranga hafahafa fa hotazonin’izy ireo ny tsiambaratelo.

 

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT