Sosialy

Vakinankaratra Tezitra amin’ny fanjakana ny tantsaha


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Fihetsika hafa kely nitondra hafatra no nentin’ireo tantsaha mpiompy mpamokatra ronona tany Vakinankaratra naneho ny alahelony ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

Nandraraka ronono eraky ny arabe izy ireo nanehoana ny tsy fahafaliana noho ny fanakatonana ny ozinin'ny orinasa AAA Andranomanelatra, izay orinasa mandray vokatra ronono betsaka indrindra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Manodidina ny 100 000 L isan’andro ny ronono jifain’ny AAA avy amina tantsaha manodidina ny 2000 eo. Ronono natao ho ana indostria ny anay, hoy izy ireo fa tsy hoe ilay amidy amin'ny 2 na 3 litatra. Midika ho famonoana anay avy hatrany ny fanakatonana io orinasa io, hoy izy ireo. Izahay tsy mahay resabe sy resaka ambony latabatra fa tahaka izao ny fomba fanehoan-kevitray, hoy hatrany izy ireo. Teo anoloan’ny araben’ny fahaleovan-tena tao Antsirabe no nanaovana io fihetsika mitondra hafatra lehibe io, nitohy tao Vatofotsy, ary niseho ihany koa tahaka izany tany Betafo. Tsiahivina fa nanomboka ny talata 01 septambra lasa teo no nakaton’ny Fanjakana ny ozinina ao Andranomanelatra.

FANAMAIVANANA SY FAMADIHAN-DRESAKA…

Nisy ireo nivoy zavatra hafa momba ity fihetsiky ny tantsaha ity, ka tao no ninia namorona fa tsy ronono no nariana fa « chaux grâsse » notapohana rano, izay tsy mitombina loatra. Nisy nivoy fa ambadika politika sy karamaina ireo olona. Toa endrika famonoan’afo sy fanamaivanana ny alahelon’ireo tantsaha, eny fa hatramina olom-boafidy sasany, toa ilay iray etsy Antananarivo Atsimondrano aza, dia nivoy fa karazana seho politika misy mpandrindra no natao. Solombavambahoaka, saingy tsy mahalala fa maharary ny olona rehefa ny fivelomany no voatohintohina? Tao ny nilaza hoe hanenenana ny fanariana hanina, ary adala ireo tantsaha, saingy izay aloha no fomba hitany hanehoana ny alahelony sy ny fahatezerany fa tsy sanatria nandroba sy nandoro fananan'olona toy ny natao teto tamin’ny 2009.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT