Sosialy

Vakinankaratra Misedra olana maro ny seha-pamokarana


  • Talata 03 Septambra 2019

Nisy ny fampirantiana ireo vokatra mampalaza ny faritra Vakinankaratra tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo tany an-toerana.

 

Tanjona ny hampahafantarana ireo vokatra sy hijeren’ireo tantsaha ny lalam-barotra manahirana azy ireo amin’izao fotoana. Maro ny tantsaha sy ny mpandraharaha velon-taraina ary mahatsiaro ho nataon’ny fitondram-panjakana anjorom-bala any amin’iny faritra Vakinankaratra iny. Tsy rototra amin’ny fanampiana ny tantsaha Malagasy aloha ny fanjakana raha ny fahitana azy fa mbola variana amin’ny rehaka maro samihafa, indrindra ny amin’ny fitadiavana famatsiam-bola ny amin’ireo tetikasa lehibe nampanantenaina tahaka ny trano be mijoalajoala. Midina ary miiba hatrany ny seha-pamokarana eny ifotony ka sahirana mafy ireo tantsaha. Tamin’izao fampirantiana izao dia nangataka tosika ara-teknika sy ara-pitaovana ireo mpisehatra amin’ny fambolena sy fiompiana ary ireo mpanao asa tanana any Vakinankaratra mba ho fanatsarana ny seha-piharian’izy ireo. Manana mponina maro amina velarantany lehibe ny faritra Vakinankaratra izay mivelona amin’ny fiompiana, fambolena ary asa tanana. Manana orinasa maro ihany koa raha tsy hiteny fotsiny ny ao Antsirabe renivohitra. Mahantra anefa ny mponina ary hita ho tsy ampy mihitsy ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Miharatsy hatrany ihany koa ny kalitaon’ireo voka-pambolena sy ny fiompiana ary ireo mpanao asa tanana dia tena sahirana amin’ny tsy fahampian’ny akora fototra. Tokony hahatsara ny toekarena ny famahana olana raha manampy tosika azy ireo ny fitondram-panjakana hoy hatrany ireo tantsaha sy ireo mpanao asa tanana any an-toerana. Manankarena ny faritra Vakinankaratra, hoy izy ireo saingy ireo tohana ara-teknika sy ara-pitaovana enti-mamokatra ireo mihitsy no tsy ampy miampy ny tsy fahampian’ny lalam-bokatra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT